|
Leo ny mandainga ho anao hono izy, ilay mody atao hoe izao |
|
Leo ny mamitaka ny havany izy, maratra ny ao anaty fony ao |
|
Leo ny manoroka anao hono izy, ilay mody atao hoe tia |
|
Manaintaina, mijaly, tomany, marary, nefa dia tsy maintsy afenina ery |
|
Iny mariazy iny ihany no mahatonga azy mbola eo ihany |
|
Rehefa iny aloha ny hazofijaliany na |
|
tsara na ratsy iny, iny ihany ilay fahiny |
|
Iny alitara iny ihany no mahatonga azy mbola eo ihany |
|
Dikan'ilay hoe ho doria: |
|
tsy maintsy miaritra ery rehefa misy mania |
|
... ... ... ... ... ... |
|
Leo ny mitaraina aminao hono izy, ilay mody atao hoe niova fo |
|
Leo ny fosain'ireo namany izy, sady menatra no marary an-doha |
|
Miandrandra mafy an'izany hono izy, |
|
hoe iny ianao mba hiova tokoa Fa ho ataony |
|
avokoa izay sitraponao raha izay no tianao |
|
Iny mariazy iny ihany no mahatonga azy mbola eo ihany |
|
Rehefa iny aloha ny hazofijaliany na |
|
tsara na ratsy iny, iny ihany ilay fahiny |
|
Iny alitara iny ihany no mahatonga azy mbola eo ihany |
|
Dikan'ilay hoe ho doria: |
|
tsy maintsy miaritra ery rehefa misy mania oh oh oh! |
|
Iny mariazy iny ihany no mahatonga azy mbola eo ihany |
|
Rehefa iny aloha ny hazofijaliany na |
|
tsara na ratsy iny, iny ihany ilay fahiny |
|
Iny alitara iny ihany no mahatonga azy mihafy eo ihany |
|
Dikan'ilay hoe ho doria: tsy maintsy miaritra ery rehefa misy mania |