Leo ny mandainga ho anao hono izy, ilay mody atao hoe izao Leo ny mamitaka ny havany izy, maratra ny ao anaty fony ao Leo ny manoroka anao hono izy, ilay mody atao hoe tia Manaintaina, mijaly, tomany, marary, nefa dia tsy maintsy afenina ery Iny mariazy iny ihany no mahatonga azy mbola eo ihany Rehefa iny aloha ny hazofijaliany na tsara na ratsy iny, iny ihany ilay fahiny Iny alitara iny ihany no mahatonga azy mbola eo ihany Dikan'ilay hoe ho doria: tsy maintsy miaritra ery rehefa misy mania ... ... ... ... ... ... Leo ny mitaraina aminao hono izy, ilay mody atao hoe niova fo Leo ny fosain'ireo namany izy, sady menatra no marary an-doha Miandrandra mafy an'izany hono izy, hoe iny ianao mba hiova tokoa Fa ho ataony avokoa izay sitraponao raha izay no tianao Iny mariazy iny ihany no mahatonga azy mbola eo ihany Rehefa iny aloha ny hazofijaliany na tsara na ratsy iny, iny ihany ilay fahiny Iny alitara iny ihany no mahatonga azy mbola eo ihany Dikan'ilay hoe ho doria: tsy maintsy miaritra ery rehefa misy mania oh oh oh! Iny mariazy iny ihany no mahatonga azy mbola eo ihany Rehefa iny aloha ny hazofijaliany na tsara na ratsy iny, iny ihany ilay fahiny Iny alitara iny ihany no mahatonga azy mihafy eo ihany Dikan'ilay hoe ho doria: tsy maintsy miaritra ery rehefa misy mania